Ity tranonkala ity dia tsy "site web" ofisialy an'ny Sekoly LMP Tongarivo, fa hampiasaina fotsiny hanamora sy hanamaivana ny tsirairay amin'ny fivezivezena mandritra ny fisoratana anarana.
Tsy manakana ny fanantonana mivantana ny sekoly amin'ny raharaha rehetra mety hilaina anefa izany.
Azo atao foana ny miresaka amin'ny tomponandraikitra raha misy manahirana amin'ny fampiasana ity "inscription en ligne" ity.
Tsy mifandray avy hatrany amin'ny tahiry sy angona "informations" ao amin'ny Lycée ity tranonkala ity fa misy foana tomponandraikitra mikirakira an-tanana ny famindrana izany.
Tsy misy fandraisana vola hafa mivantana na ankolaka, na amin'ny "mobile money" azo ataon'ireo tomponandraikitra mandritra ny fisoratana anarana.
Ny Frais sy équipement araka izay voalaza ihany no handoavana vola hatao ary any amin'ny Banky araka izay voasoratra no fomba tokana handoavana izany.
"Ho foanana ity tranonkala ity rehefa tapitra ny fisoratana anarana"